Hafy ny fitiavana (Ilay Tia)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Vonto ny tavako,ontsa ny foko
Feno sento sy alahelo mampirongatra toloko
Nikapoka marary ilay onjam-pilafila iainana isanandro
Niboiboika tsy mijanona ilay loharanon-dranomaso hany ka tsy tandro
Ankehitriny koa manindrona tsy tanty ilay lefopohin'elanelantany
Ka mandratra izato fo tena tia ny any ho any
Kanefa ilay fitia tsy ho vanjotra amin'izany,na ho simban-defopohy
Fa fanantenana tsara ny hasambarana ho setriny,tsy miato fa mitohy
Ilay herin'ny fitia toa afo no ampanjakaiko handoro izay misakana tsy mihevitra ny hampiavana
Hitony mora foana ilay onjam-pilafila,ho dombo mora foana ilay lefom-pohim-pisarahana
FA FIAFIANA NY FITIAVANA
--------
Lien:
2115 0
Commentaires
arseneinlove ( 23/10/2017 15:55)
kiano ny tsipelina raha misy diso,ahafahako mivoatra @fanoratana
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Ilay Tia
Inséré par : arseneinlove
Date : 23/10/2017 15:52
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149