Mbola manantena anao - aladin
Nanantena anao ity izaho
Ho ando hamelombelon'aina
Hay fanala nahalao
Nitondra hatsiaka sy taraina
Jamba taminao ity foko
Revo koa izany saina
Hay tadio nitora-jofo
No reko nihatra aman'aina
Nitia anao tokoa mantsy aho
Dia ilay fitiavana madio
No natokako ho anao
Izany no mba tadidio
Tsy omeko tsiny ianao
Nanaitra ity foko ity
satria ao anatiko ao
Dia tsy voafafa ilay Fitia
FA MBOLA MANANTENA ANAO
Tononkalo hafa
andao hisarakaNy fitiavako azy
Eo anilanao
Maratra ianao ry foko
Lazao azy!
Mon ami
Ry tononkalo!
Voady
Veloma
Fisarahana
Hevitra mandeha
manjakely (10/05/2004 20:43:28)
nyeja (02/08/2004 14:31:12)
Malalason (14/09/2004 12:20:44)
ANY MBOLA MISY
ZARA HO ANAO
TONTOLO IRAY VAOVAO
METY TSY NOHEVERINAO
FA HITONDRA FIADANANA...
DIA IZA ?
TSY IZA FA 'LAY NAMANA
'LAY TIA SY MIANDRY ANAO
R.JO (14/06/04)