Maratra ianao ry foko (aladin)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Maratra ianao ry foko
Haiko koa fa mijaly
Reko mantsy ny toloko
Ventesinao mangina any

Maratra ianao ekeko
Nefa aza mitomany
Fa nahazatra antsika hatreto
Izany hoe mijaly izany

Naratra ianao omaly
Fa nilaozan'olon-tiana
Toy izany koa ny androany
Tsy hita izay mba fifaliana

Haratra koa ianao ampitso
Haratra foana ho doria
Tsy azo ialàna izany indrisy
Izany mantsy ny Fitia
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana - Alahelo
11183 4
Mpakafy: felandefona - aladin - tsie - Fantasy
Hevitra mandeha
Oully ( 17/04/2004 11:09)
Aza dia manaiky ny horatràna zany foana kosa eh! Na izany aza manja ilay tonokalo
booboo ( 21/04/2004 19:04)
tsara be ! ny foko efa naratra fa efa sitrana dia tsy ho ratraiko araka ny tenin'i Oully !
sejianis ( 25/04/2004 16:31)
Aladin!
Tombony ho an'ny mpanoratra ny ahafahany maneho izay tsapany, isan'ny lalana iray hampiononany tena izany, satria ny mpanoratra mazana dia monologue.
Misaotra betsaka fa mahafinaritra ny tononkalo, ary mino aho fa vao nanoratra io ianao dia efa nionona sahady!
Mazotoa e!
sejianis
manjakely ( 10/05/2004 18:38)
mino aho fa mbola anoratra tonokalo afa koko ianao satria raha ity tonokalonao ity aloha de tsara ary nikasikia ny foko mihintsiny .
Maherezo!
nyeja ( 17/05/2004 17:08)
tsara ilay tononkalo aladin a, fa ny tsetsatsetsa tsy aritra keliko dia ity: aza dia atao kosa hoe "haratra ho doria e" satria tsy izy irery no tena lafatra fa any ho any mbola ahita mpanasitrana ianao !.sa tsy zany !! mahereza hatrany .
tsara ilay tononkalo e !
aladin ( 18/05/2004 09:00)
hihihi!misaotra e! ny mpanasitrana betaka nefa tsy hilaozan'uzay tsy haratra na de 'zany aza kou!
Malalason ( 14/06/2004 07:57)
izaho ihany (R.JO) efa ela no namakiako ity tonon-kalon'ise ity fa izao aho vao misy ambara maratra ny fo nefa mitraka fa lehilahy ary tiako ny milaza tsy @ise ihany fa ho an'ireo izay mbola hitia na lahy io na vavy eny ho anareo namana rehetra mba valio ity ary alefaso @ imailakako ny valiny Fanontaniana nahoana kay ny olona iray rehefa tia dia voadona lava?, nahoana koa ianao rehefa mba manaja dia hitsakitshina? fa ity no tena loza ilay tena tinao tsy hainao miresaka fa ilay halanao manantona tsy akekezina? inona no antony; fa raha izaho manokana tsy te hierika intsony mantsy aho efa nanaja nefa dia nitsahina, efa mba nitia nefa dia nolavina; "hoy ny iray t@ireny tsy anjarantsika anagamba ny hiaraka fa efa nisy teo alohanao ary hafa ihany ilay taloha" marina ny teniny nefa omeko tsiny izy tsy nilaza ahy mialoha fa navelany tafiditra aho vao navoakany indray izany hoe efa nanao ny fanaon'ny mpifankatia ehetra zay va nilazany izany efa tena latsa-pitia taminy nohozongozoniny. aminao inona no tanjony ary manao ahoana no hiafarany? dia omenao tsiny ve ny olona iray raha toa ka mampirafy noho ny nataonao hafatra no ho omeko ho antsika rehetra hoe : "Malala ny ampitsonao hevero aza atao kilalao" misokatra ho antsika ny e-mailko ho an'izay te hitafatafa amiko dida.rakotomalalason@caramail.com

Naratra ianao omaly
Fa nilaozan'olon-tiana
Toy izany koa ny androany
Tsy hita izay mba fifaliana

Rado na alladin
avy @ R.JO
yonikafopl ( 04/08/2004 14:24)
zao aho vao namaky ity tononkalonao ity, tsara fa tohizo aladin a!! nefa aza dia manaiky ny haratra ho doria zany mou e!!! ataovy akaiky ny fanafody ka raha vao mitady hisy ratra mananontanona dia tonga dia asio fanafody mialoha hi hi hi hi
raozylisy ( 02/10/2004 17:29)
misatra anao @ tononkalo,mino aho fa tsy ny fonao akory no naratra fa mba tononkalo io,eny e! mety efa nitranga ihany angamba mato nahatsapa ilay arariny nefa mahereza e!tena tsara alo lay tononkalo e!,ary tena mampihetsi po satria mba efa voadona ko ny tena!
mankasitraka e!
watsa ( 05/10/2004 22:00)
Misaotra indrindra tompoko ôôô!! hihihi!de isaorana indrindra i raozylisy sy yonikafopl!!
yonikafopl ( 06/10/2004 19:00)
aladin ihany angaha ilay watsa? tsy misy hisaorana ka tohizo fa mahafinaritra.
horoka ( 07/10/2004 21:08)
hum hum!!! hay an!!
aladin ( 07/10/2004 21:11)
watsa, horoka> fa manin kou reto nareo??? vonikafopl> tsy alasin alou i watsa e! fa na izany aza de isaorako daolo ianareo.
zaho ( 26/10/2004 14:49)
tsara le tononkalo. fa dia mahagaga e! maninona rehefa TIA dia mijaly tokoa. ny foko aloha toa maratra foana e! ohatran'ny mampa- te hanao hoe aleo tsy mitia intsony!
nyeja ( 28/10/2004 17:04)
ny ahy koa ny foko maratra androany snif snif !!
Malalason ( 04/11/2004 12:40)
ny ahy efa ela, fony mbola tsy honohono fa ny tany ho foronina
d'efa naratra!!!!!!
R. JO
tanya ( 07/11/2004 10:51)
tsara be ry aladin ilay tononkalo ah!na dia mampalahelo be aza. Nefa efa fantatrao ngamba fa nisy andro aharatràna ary hisy koa ny andro ahasitranana.Misy koa ny mpanasitrana. ary misy foana ny anjara lafatra ho an'ny tsirairay any ho any.fa mandram-pahita an'io dia miharitra kely aloha.
manantena ny hifanoratra aminao aho.
felandefona ( 30/03/2020 10:52)
Tononkalo izay nanamarika ny fahatanorako tamin'ny taona 2009 no nahitako azy 11 taona lasa izay izao indray vao niverina nitsidika tato indrisy toa mitamberina ao an-tsaina ny fijaliana taloha efa manambady ankehitriny mifanohitra tamin'ny fianako tamin'izany mihitsy ny fiainako amin'izao.

Misaotra anao nanome hery tamin'izany
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : aladin
Nampiditra : aladin
Daty : 15/04/2004 12:40
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0187