Ny fitiavako azy - aladin
Raha ny fitiavako azy
Mahery, tsy mba hay tohaina
Tsy hoe akory vazivazy
Fa tia na diahoe hamoizan'aina
Raha ny fitiavako azy
Tsy haiko hadinoina indrisy
Fa ity foko toa voasazy
Ka manantena ny tsy misy
Raha ny fitiavako azy
Namela ratra, aretim-po
Satria nanjary rava ho'azy
Ilay nofinofinay roa
Fa ireo lehibe
Tsy mba nanadihady akory
Hoe ny fitiavako azy anie
Tsy mba fitia te hampahory
Fantaro fa ny fonay hatreto
No nofefena tsy hitempo
Sokajy :
Fisarahana
Hevitra mandeha
manjakely (10/05/2004 18:41:40)
Mombamomba
Mpanoratra : aladin
Nampiditra : aladinDaty : 20/02/2004
Mpamangy : 7281
Mankafy : 3
Tononkalo hafa
andao hisarakaEo anilanao
Mbola manantena anao
Maratra ianao ry foko
Lazao azy!
Mon ami
Ry tononkalo!
Voady
Veloma
Fisarahana