Eo anilanao - aladin
Azo vakiana?
Toerana iray izay mamiko indrindra
Mahatonga ny alahelo rehetra hisinda
Toerana mamy tsy ataoko hankalao
Tsy aiza izany fa EO ANILANAO
Ny ahiahy rehetra sy ny adin-tsaina
Na ireo ratram-po izay nampitaraina
Ho foana tsy hisy manombok'izao
Satria fialofako ny EO ANILANAO
Ireo fifaliana sy firavaoravoana
Ireo andro tsy hisy izay fisentoana
Dia indro ifampizaràko aminao
Ka indro aho hitoetra EO ANILANAO
Hofaranako izao diam-peniko izao
Satria voalazako izay tao am-poko tao
Averiko indray ny hoe Tiako ianao
Ny fiainako sisa dia ho EO ANILANAO
Hevitra mandeha
manjakely (10/05/2004 18:34:10)
Malalason (29/05/2004 11:36:27)
Mazava loatra fa hafa mihitsy ny anilan-tiana, mampiova anao ho hendry ary toa miaina tontolo hafa mihitsy ianao rehefa manana azy
Nahoana re e! Ahoana hoy Adama raha tsy teo i Eva
Fa matetika aloha ny vehivavy matotra kokoa noho ny lehilahy
Andramo anie fa ho hitanareo tsy nahita ny ngidy sy ny maminy e !
R.JO
nyeja (21/11/2004 18:31:08)
tsara kosa izany eo anilany izany raha azoko tsara a
tsara e tohizo
Mombamomba
Mpanoratra : aladin
Nampiditra : aladinDaty : 26/02/2004
Mpamangy : 5653
Mankafy : 4
Tononkalo hafa
andao hisarakaNy fitiavako azy
Mbola manantena anao
Maratra ianao ry foko
Lazao azy!
Mon ami
Ry tononkalo!
Voady
Veloma
Fisarahana