You are here: home > Vetso

Veloma - aladin

Raha handao anao aho
Tsy hanadino sanatria
Fa mandram-piaona no atao
Tsofy rano ho soa ny dia

Tsy maintsy mbola hiverina aho
Hitodi-doha ho aty
Ny ranomasonao fafao
Mitrakà dia mitsikia!

Raha manembona ahy ianao
Aza malaky mitomany
Fa ilay hirako hirao
Hiantefa any amiko any


Eny raha hanainga aho
Matokia fa mbola hiaona
Veloma no lazaiko izao
Veloma, eny mandram-piaona

Rado T.A. na aladin

Hevitra mandeha

manjakely (10/05/2004 20:44:09)

booooo mampitomany!
fa tsra ihany

aladin (11/05/2004 09:36:36)

De mampitomany sy mampalahelo anareo daôly ve ze tonokaloko ato?hihihi!

hery (12/05/2004 14:47:51)

ary i aladin nandalo fiainana hafa mihitsy an hmmmm

Karajia (12/05/2004 17:47:58)

fa ho aiza i aladin ?????

aladin (14/05/2004 09:44:14)

andeha anyyyyyy eeee!

aladin (14/05/2004 09:44:39)

andeha anyyyyyy eeee! hitady vônina ahitra fa tsy raviny tsony

iharantsoa (24/05/2004 10:44:55)

aladin a aza mandeha moe mitomany eo za an

aladin (24/05/2004 19:28:44)

aza malahelo an!vetivety ihany e!

nyeja (02/08/2004 14:44:17)

mandram-pihaona !

Malalason (08/09/2006 13:36:46)

sur e! aza mamboly kôkô fotsiny an!

Hametraka hevitra

Midira aloha