You are here: home > Vetso

Voady - aladin

Any ianao ilay tiako izay
Ilay efa nomeko ny foko
Indro tononkalo iray
Vakio fa vokatry ny foko

Tadidio fa misy voady
Izay nekeko, hotanterahiko
Koa dia hitolona aho hiady
Mba ho eo anilanao ry aiko

Tadidio fa ny fitia
Izay natolotro ho anao
Tsy kilalao sanatria
Kanjo voafefy tsotr'izao

Tadidio fa eto an-tany
Dia misy fo mitempo ho anao
Fantaro koa hoe any ho any
Dia manirery ilay tia anao

Fa mbola havaoziko ny voadiko
Ka indro atokako ho anao
Ilay lapa soan'ny fitiavako
K'ianao no aoka hanjaka ao

Aladin na Rado T.A.

Hevitra mandeha

manjakely (10/05/2004 20:42:43)

tsra eee!

Karajia (12/05/2004 17:49:05)

tena danz !

fifi (19/05/2004 11:32:34)

mafinaritra e!
raha nisy nandratra ny fo dia tena mampianatra tokoa ny tononkalonao

Malalason (29/05/2004 13:45:12)

aza kivy r'ise fa ny fitiavana rehefa rarana izay vao tena mamy
ny toky koa fitaka fa ny atao no hanambara ny zavatra rehetra izay vao tanteraka ny voady
R.JO

gafilo (31/05/2004 12:37:24)

misaotra indrindra e!merina aloha izay ry malalason ah!

hendry (06/07/2004 18:06:12)

ny elanelan-tany aza atao mahaketraka e!

samymalagasy (09/07/2004 09:16:44)

tena tsara mintsy io ry rado a
ra za nareo manao po├Ęte lou e!

aladin (24/07/2004 23:59:00)

samymalagasy> mananihany tsssss!!!hahaha

ANARIM (09/08/2004 17:09:19)

misy tsy dia mirindra loatra vokatry ny fiverimberenan'ny teny iray mitovy ao anatin'ny andininy iray
raha tsy izay dia mahafinaritra hatrany ny mankafy ny toa izao.

raozylisy (02/10/2004 19:18:00)

tena tsara be e!sady tena zava marina daholo an!misaotra ny mpanoratra

Hametraka hevitra

Midira aloha