Mbola ao (As'Lamy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hidio ny varavaranao
dia aza mihetsiketsika ao
akipio ny maso!matoria
mbola vao mihira ny amboadia

aza miasa saina @zay ampitso
mbola hisava ny haizim-pito
ary ho avy ny maraina,mahandrasa
tsy maintsy ho antananao ilay nokinasa

fa na ahoana na ahoana
ny anjaranao tsy ho foana
fa raha hilentika io volana io
ny masoandro ao,aza asiana olana

* Atolotra ho an'ireo kivin'ny fiainana sy mahatsiaro mangirifiry!
--------
Rohy:
Sokajy : Hambom-po - Fitiavana
878 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : As'Lamy
Nampiditra : AsLamy
Daty : 20/09/2016 19:34
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0228