Misy Fahafito (As'Lamy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa mbola ho avy ny rahampitso
ka aza dia mivaky loha
N'inoninona manjo
Ny andro misy fahafito

Ny alahelonao androany
aza alentika ao ampo
Adinoy ny taloha
Inona no ilana izany

Taloha mandratra
Alaviro lavitra tsy ho hita
Hodio ts'fantatra dia vita
Omeo fiadanana ny tratra

Ny omaly iny dia mandalo
Aza ory tahaka izao
Fafao ny ranomaso
Honony ny fonao!!!
--------
Rohy:
Sokajy : Fampaherezana
893 1
Mpakafy: AsLamy
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : As'Lamy
Nampiditra : AsLamy
Daty : 01/06/2016 20:38
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0133