Efa Vita (As'Lamy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eny,ekeko raha tianao
kanefa hiangaviako
ny foko avelao
f'efa sambatra ilay tiako

tsy maninona,ny lahatra no ambony
tsy hanao be loha
fa manaiky sy mitony
mba tsy hararirary fo

Ny rehetra vita tsy ho fafana
avela ho tsiaro
ny tohy no rarana
ilay FO nitempo koa sakano

Ny antsika efa izay
reny lasa tsy hanenenana
aleo hifarana fa ampy izay
Ny aoriana koa tsy hiverenana
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
959 1
Mpakafy: AsLamy
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : As'Lamy
Nampiditra : AsLamy
Daty : 01/06/2016 20:54
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138