Ianao sy ny toaka (Djaw)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rehefa mahita azy dia tsy tafapetraka ianao !
Fa ny hiaraka aminy ihany ny ao an-dohanao !
Tsy mahalala ny ora fodiana, tsy mahasaraka azy !
Satria dia variana, finaritra ny hanala azy !

Raha tafaraka, tafihaona lesy ianareo roa,
Manao fiteny tsy fantatra, ny feo amin’izany efa voa ;
Ny famindra toa efa tsy amin’ny laoniny, mitsirepirepy ;
Ny maso mijery toa mitovy ny jiro mitsitapitatapy.

Rehefa miaraka lesy ialahy sy ny toaka,
Miandry fotsiny aho amin’izay zavatra hipoaka ;
Raha tsy mitabataba, miady aman’olona ;
Tsy mahay mitombina, manimba zavatr’olona.

Fa maninona ianao mbola misotro toaka ?
Nefa zavatra efa hita fa efa tsy zaka !
Sa miandry ny fotoana hanimbàny ianao ? !
Sa miandry ny fotoana hakàny ny ainao ? !
--------
Rohy:
Sokajy : Toaka
2578 0
Hevitra mandeha
vounji ( 21/02/2015 18:18)
raha mbola velona ny aiko
tsy hiala amin toaka ny saiko
io no sakaiza tsy mba foiko
isanandro tsy maintsy sotroiko

io no ody tahotro raha alina
miaraka aminy aho tena malina
eo anatrehan'ireo ahiahy
miaraka aminy aho tena sahy

io 'lay namako tena reveko
izay tadiaviny amiko, ekeko
ka na vady, zanaka tsy ahoako
satria tena ampy izy eo anoloako

koa ho anao tsy manana azy
tena tsara io fa tsy vazivazy
io manko ilay atao ivin-tsatana
koa raha tinao ataovy akama

fa io sakaizako io ihay anefa
no mahatonga ahy tsy mba hahefa
ireo didy amin'ny fiarahamonina
ny an'Andriamanitra tsy ho tononina
koa ambarako eto fa raha toaka
no atolotra ahy, dia AOKA

Sibory
Djaw ( 11/01/2016 08:57)
Ny mainty sy ny fotsy, milay ka !
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147