You are here: home > Vetso

Antsam-pitiavana - Dox

ANTSAM-PITIAVANA



Fa fitiavako ianao, fifaliako, fahasambarako…
Vahatr’aina, tanjon-tokana, eny tokana ifaharako…
Ametrahako ny androko, ny fo, fanahy sy fisainako
Aminao no miantomboka ka mifarana ny fiainako… !

Fa fitiavako ianao, eritreritro, fanahiko…
Tsy hisaraka amiko eny, na aiza na aiza tany itsahiko !
Tompon’ny safidim-poko, mpanapaka ny momba ahy !
Anjely hiambina ahy hatrany raha izaho alaim-panahy !


Fa fitiavako ianao, eny tena fitiavako !
Hira mamiko izany ka tsy afaka eo am-bavako!
Hira mamiko indrindra, ô hirako hatrany !


Fa fitiavako ianao, è fitiavako madio…
Hoy ny teny fivoadiana atolotro anao anio :
Ho fitiavako ianao mandra-podiko ho tany !


DOX

Folihala.
(Naiditra ao amin’ny tantaran’”Izy Mirahavavy” 1940)

Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

eh (20/08/2005 14:15:30)

goavana izany raha fitiavana an!!

rovitra (20/08/2005 18:00:55)

tsara ny mahitata ny tononkira, fa mba azo atao ve ny mihaino ilay hira

fiaritiana (23/08/2005 20:41:38)

tena tsarabe nytonony marina an

angoty (24/08/2006 18:35:45)

mambabo fo tantera ka e! saika tsisy teny malaza azy tsony ko!

Hametraka hevitra

Midira aloha