You are here: home > Vetso

Fa fitiavako hianao - Dox


Fa fitiavako hianao, fifaliako, fahasambarako
Vahatr'aina, tanjo-tokana, eny tokana hifaharako
Nametrahako ny androko, ny fo, fanahy sy ny fisainako
Taminao no niantomboka, ka hiafara ny fiainako.

Fa fitiavako hianao, eritreritro, fanahiko
Tsy hisaraka amiko eny, n'aiza n'aiza tany hitsahiko
Tompon'ny safidim-poko, mpanapaka ny momba ahy
Anjely hiambina ahy hatrany raha izaho alaim-panahy.

Fa fitiavako hianao, eny tena fitiavako
Hirako ao am-poko izany ka hasandratro ao am-bavako
Hira mamiko indrindra, sy ho hirako hatrany.

Fa fitiavako hianao, รด fitiavako madio
Izao no tena fivoadiana atolotro anao anio
Ho fitiavako hianao mandra-podiko ho tany.

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha