Mandalo (Era zanaka)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mandalo dia mandalo ny andro rehetra
Miserana, toa tsy hita mba mitoetra
Toa zavona izy, maraina ihany no hita
Rehefa lasa ireo fotoana, izay dia vita

Mandalo dia mandalo ny andro rehetra
Miroso foana, toa tsy manam-petra
Mandalo tahak'izany ny hasambarana
Hazomina izy, nefa avy eo mifarana

mandalo dia mandalo ny andro rehetra
Faingana tokoa, mahery setra
Toa rivotra izy, heno fa tsy tazana
Ny hanenjika azy ity no tena mazana

Era zanaka
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
1406 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Era zanaka
Nampiditra : zobelou
Daty : 24/08/2005 14:41
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136