Madagasikara (Era zanaka)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry Tanindrazako

Na hoe maintso mavamavana
Na koa tsy zarizary
Vakoka ao am-po io
Ka tsy mba fanary

Na hoe vorom-bolamena
Na vasobaso-kelatra
Rakotra irakofana io
Tsy ataoko mahamenatra

Ry Tanindrazako

Na Sanga atao hanendrika
Na volo ngitangita
Satroka eny andohako io
Tsy ambanin'ny any ampita

Na hoe tany lonadonaka
na koa dia tany ngazana
Reharehako eny foana
F'izay no Tanindrazana.

ilay Madagasikarako.

Era Zanaka
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
1438 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Era zanaka
Nampiditra : zobelou
Daty : 24/08/2005 14:21
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1797