Ny ady tsara (Era zanaka)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Novelominao ny fanahiko
Raha indro lalan-davitra
ny lalana narahiko

Nogejaina aho fa tsy tery
Enjehina amin'ny asako
Na potraka aho tsy very
Fa tojo izay kinasako

Ny Fanahinao no nitoetra
Nanazava ny aizim-be
sy ny aloka rehetra...
rehefa izaho mandeha

Ny adidy izay nefaiko
Tanteraka daholo
Ny tany izay nasaiko
Tsara kolokolo

Fa ny irakao no vita
Ho fanompoako Anao
Ny Antsonao niampita
Izay no reko izao

Ny oloko no ho voky
Ny zava-tsoako hoy Jehovah
Dia ny olona mahatoky

Era zanaka
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
1728 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Era zanaka
Nampiditra : zobelou
Daty : 24/08/2005 14:11
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0133