Neny (fyfty unilah )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eh...!mahonena ny mijery izato fitarainanao
Indrisy mantsy ry Neny,alahelo lava izao
No avelanao ho azy ;ranomaso sy ny sisa
Sy izay rehetra Tsy hitako iny, marobe tsy voatanisa

Fa ny hafatro aminao,ny hany teniko dia Ity
Ilay reny maminao namela aina sy fitia
Dia ianao no mandany,eny,fifaliana ho azy koa
Ary ianao no solon-tenany ka tehirizo re fa zavatsoa

Mitrakà hatrany hatrany f'ilay reny be fitia
Mahatsiaro anao ihany mandrakizay doria
Ianao no andry iankinany ;ianao no fiononany
Ianao no hamelo-maso ilay sisa ankohonany

K'aza avelanao ho ringana izany zava-tsarobidy
Izay napetrany aminao,aoka re ho tadidy.
Tsiaro mamy aok'izany raha mandinika ianao
Ka aoka anie ho tsiky hatrany ny endrika avoakanao

Malahelo izy raha toa ianao ka manjombon-dava
Faly izy raha mahita fa ny rahonao hisava
Tsikitsiky lalandava no andrandrainy ombieny ombieny
Amin'izato vavakao mitaraina mafy hoe:Neny

Fiononany Ianao,fiononana ho azy
K'ilay nilaozany iny Aza raisinao ho sazy
Fa alaivo sary an-tsaina io izy miantso anao
Mamoha anao vao maraina,e...! mierena tao

Raiso ho eo anilanao tsy miala ao am-ponao
Ilay reny maminao izay matory izy izao
Raha iny ianao ka malahelo na hoe mitomany
Aza mitanondri-dava fa fandalovana ny tany
--------
Rohy:
1044 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : fyfty unilah
Nampiditra : fyftyr
Daty : 13/08/2014 09:01
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143