ilay tovovavy (fyfty unilah )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eto andavarangana eto,no mandefa ny vinany
Mandefa saina lalina, manonofy sesilany
Mahita ireto ankizy, milalao an-tanimbary
Zary vita hosodoko, zary lala sarisary

Eny, iny tovovavy manao akanjo mangamanga
Mihazakazaka famindra, miarak'amin'izato sanga
Miaraka amin'ireto ankizy, mihika mafy ery
Sambatsambatra aok'izany,ary tena mankafy

'Zato maso baribary, miaraka amin'ity takolaka
'Zany tanany eny iky, toa miantso anao ankolaka
Ireto namany hikorana, hiriaria hankamamy
Ny tontosa androny izay iriana tsy ho lany

Any anaty fony any, inoako fa maniry
Irony fiainany fahiny, izay tsy ananam-piry
Saingy lasana nandao, navalon'ny taona
Satriny hitohy hatrany,maminy Tsy ho foana
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
1254 0
Hevitra mandeha
fyftyr ( 08/08/2014 13:13)
Mahita n hakanton'ireo tovovavy mandalo eto ambany maso eto dia lasa n soratra sy ny aingam-panahy ka Tsy tana e!Tsy hoe poeta akory ny tena f mb mianatr manoratra e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : fyfty unilah
Nampiditra : fyftyr
Daty : 08/08/2014 09:09
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0215