asa ...! (fyfty unilah )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Gaga ihany aho nahoana moa isika no niresaka?
Asa...! Hoe nahoana izaho aza manontany tena
Tendrin-janahary ve isika tafaresaka
Sa hoe kisendrasendra, sa ankaterena?

Ny handraisako azy dia tsy tongatonga ho azy
Fa avy amin'Ilay Nahary izay hisaorako azy
F'ianao no olon-tokana namoha ny hafaliako
Izay efa rendrika tanteraka noho ny fahoriako

Ianao anefa toa tsy hitako lazaina
Inay toa te hitafa,indray toa malaina
Ka sadaikatra aho vaky loha indraindray
Izaho izay efa liana toa te hifandray

Angamba tsy ho tsapanao ny hetahetam-poko
Ny ho namanao tsy ataoko antsokosoko
Singaniko eto moa ireny fanaoko ireny
Mbola ho takatrao ny hevitry ny teny....

Any indray andro any ianao hahatsiaro ahy
Izaho tsy hiova aoka ianao tsy hiahiahy
F'izaho izay amin'izao tsy hiova amin'izany
Tsy hanadino anao,ho tia anao hatrany
--------
Rohy:
Sokajy : Ahiahy - Fitiavana
746 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : fyfty unilah
Nampiditra : fyftyr
Daty : 06/07/2015 05:54
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139