NANDAO (j)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dia ionona ny fo
Fa lasa ny olontiana
Ilay nanakinanao ny fo
No nampitondra fijaliana

Dia izao samirery
No navelanao atia
Matsiaro hoe tena very
Satria ny foko mbola tia

Izao tsy iantso tody
Fa safidinao nandao
Manantena ao mbola hody
Ka ilay fitia ho raisinao

Tsofiko rano iany
Mba ho tojo izay hirina
Fa boriboby anie ny tany
Tsy maintsy iahona any ahoriana.


RASAMBANJOHARY
HERY SITRAKA.
--------
Rohy:
Sokajy : NANDAO
1776 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : j
Nampiditra : nambintso
Daty : 07/09/2015 07:05
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0464