FISARAHANA (j)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tenaleo ao ankehitriny
Fa aza homenao tsiny
Ka tehirizo tsara ity taratasy
Fa tsimaintsy hifandao tsika roa atsihoatsy

Tsy zakako intsony ilay toetranao
Ka ny tsaratsara-kokoa ve tsy aleo mifandao
Haretina no hoazo raha izao no mitoy
Ka manomboka izao dia ianao no hafoy

Niezaka niafy aho atrizay
Ny metimety dia haleo tsy mifandray
Fa tena tsisy fitiavana tsony ato anaty
Ireny nafafy atrizay efa maty

Ka adinoy ary ity foko
Mahereza fa aza mitoloko
Fa mbola bediabe ny tsara sy mamy
Ka ampionony ny fo fa aza mitomany.




RASAMBANJOHARY
HERY SITRAKA.
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana
7337 1
Mpakafy: Nambintso
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : j
Nampiditra : nambintso
Daty : 07/09/2015 06:52
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138