You are here: home > Vetso

SAONA - joseclaudio

SAONA

Mbola manitra lisy ny akany nialana,
Ka manara-pofona.
Fa ny tanàna nilaozany no tonga mangina,
Sy lasa misaona.
Nidify tanaty minitra monja
Ny endrika kanto ka very firavaka.
Fa ny fo mpitadidy no lasa mitraina
K'aleo mivavaka...
Mbola manitra alahelo ny fo manirery,
Ka tsy maintsy mitomany.
Kanefa, ny ranomaso efa nanaovana  fara-veloma
Ka ritra tsy misy intsony...

Joseclaudio_ 23 Aogositra 2015

Hametraka hevitra

Midira aloha