REHEFA - joseclaudio
Azo vakiana?
REHEFA
Rehefa takatrao ny zava-dalina kendreny
Dia fantatrao ny tena fahendreny.
Fa ny aingany manakatra ny tsy azonao faritana
no hadalana iainany,
fa nofinao anefa ny zavatra isainany.
Rehefa mitamberina ao an-tsainao ny adina napetrany
dia tanteraka ny nofy
nokatsahanao hatraiza!!!
Eny sakaiza a!
Sitrana ny poeta
Rehefa afaka ny geja nivona an-dohanao
Nametraka azy ho adala
Satria ny tena ikirizany
Dia ianao hahalala
Fa hetahetanao ny zavatra soratany.
Joseclaudio 14 febroary 2017
Sokajy :
Aingam-panahy, Eritreritra mandalo
Hevitra mandeha
Masoandro Mainty (16/02/2017 11:50:50)
Mombamomba
Mpanoratra : joseclaudio

Nampiditra : Joseclaudio
Daty : 15/02/2017
Mpamangy : 856
Mankafy : 2
Tononkalo hafa
MpivahinyMADITRA MITOMANY
VOVOKA
IZANY
Amin'izany
HIAINGA KOA NY AINGAKO
NY MIAINA
SAONA
MISTERY
METEZA