You are here: home > Vetso

VOVOKA - joseclaudio

Joseclaudio Blacko
VOVOKA …
Oh! vovo-malemin'ny tananà masina,
voafafin'erika ny andro ho mirana
Fa tonga fanahy ny olo-niserana
nandry hatry ny ela ho tonga olona.
Fa nofo ny lasa narenina hanatrika ny fiainana ho avy ny vatanao,
fanahy napetraka hampanjakana ny lazanao,
oh! olombelona ianao voairaka hanatanteraka ny tsara ety,
fa raha toa ka tsy hahavita dia inona no tambiny?
oh.! vovoka ianao ka hody vovoka indray.
Joseclaudio_jona 2016( ny rakitra)

Hametraka hevitra

Midira aloha