You are here: home > Vetso

Iny namako iny - ny andy

                    INY NAMAKO INY

Tompo ô!
Italahoako mafy ny tananao mahery
Hitantana ito namako mamy loatra ho ahy
Ianao anie hijery
Tsy hamela azy irery
Fa homba lalandava,hanilo ny fanahy
Itovizany aminao
...Iny namako iny
Aza omena tsiny
Aza avela ho resy
Na koa ho lavon'izao tontolo izao
F'ianao ka itokiako
Ny finoako manantena
Hatolotrao azy...izay no mba iriko
Ny tena fahendrena

Iny namako iny
Tompo ô! Omeo izay mba tiany
Ataovy sambatr' izy,omeo fandeferana
F'izay no mba iriko,
  ny fiainany hamelana.

Tompo ô! iny namako iny
Tantanonao ny diany.

                   ny andy
      FARIBOLANA SANDRATRA Antananarivo

Sokajy : Vavaka

Mombamomba

Mpanoratra : ny andy

Nampiditra : nyandy
Daty : 17/06/2004
Mpamangy : 1851
Mankafy : 0
Ankafizo

Tononkalo hafa

Fahatsiarovana
Narindra
Dindo
Kalo

Hametraka hevitra

Midira aloha