You are here: home > Vetso

Fahatsiarovana - ny andy

Azo vakiana?

                Fahatsiarovana

Fahatsiarovana miotrika anaty
Apetrako ho velona mandrakizay
Ho anao irery,ho anao mandra-maty
Atao ho tsanganan'ny fo mifandray
Tsy tontan'ny ela,tsy ravan'ny taona
Sora-baventy tsy matin'ny gaoma
Iriko izao ho tsaroanao foana
Atao an-tadidy,tsy avela ho moana
Rano sy vary no tanjona omaly
Oreno ao anaty,ataovy idealy
Volana sy kintana no mifamaly
Anatiko ianao,izaho aminao any
Natao ho tsaroana ny dina natao
Aza hadinoina izao kanto izao:
                      ... ny hatsar├ány.
             ny andy
     FARIBOLANA SANDRATRA Antananarivo

Sokajy : FITIAVANA

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : ny andy

Nampiditra : nyandy
Daty : 17/06/2004
Mpamangy : 1139
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Narindra
Iny namako iny
Dindo
Kalo