You are here: home > Vetso

Kalo - ny andy

Azo vakiana?

Ianao no hira ventesin'ny kintana
An'ali-mangina
Rontsonin'ny foko mitara-diavolana
Miaina fitia
Misandratra ho andro
Fa te hanazava ny fahasambarana
Anivon'ny aizina feno hamamiana
Sy anjakan'ny feon'ny fitiavana
Tiako banjinina mba ho tsindrina
Ny feon'ny fahadiovana

Ianao no vazo redonin'ny foko
Anaty hafanana
Tendren'ny sento miangola hafaliana
Tonga fiadanana lafatra loko
Anatin'ny aizina feno hazavana
Iainako anaty
Ianao iny mantsy
Silam-panahin'ny foko mihira
Ao anaty mangina nifampitosina
Ny kalo mangina.

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : ny andy

Nampiditra : nyandy
Daty : 09/09/2004
Mpamangy : 961
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Fahatsiarovana
Narindra
Iny namako iny
Dindo