Ianao ry tiako (Ramiadanarivo fetraniaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
-Tiako tena tiako tsy foiko anie ianao
Tsy misy hoe satria fa tiako tsotr'izao
Ny mibanjina anao eny tena ankafiziko
Ireo teny maminao eny izao mbola tadidiko
-Ianao ry tiako no nanolorako fitia
Raha ny hanadino anao aloha dia sanatria
Tiako ho irery anie ianao ry tiana
Izay natolotrao eny tsy hariana
-Manakoako foana toa korana sesi-lany
Toa feo iray mihanoka manerana ny tany
Ny fitiavako anao tsy haiko ho zaraina
Fa tokana an-tany mamy toy ny aina
-Iriako mba hanahaka ny felam-boninkazo
Maniry andro aman'alina ka tsy mety halazo
Ho toy ny voankazo izay tonga maro sampana
Hahazo ny ampovoany ho lavitra ny hantsana
Fetraniaina
--------
Rohy:
2327 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145