''Tsy adino'' - Ramiadanarivo fetraniaina
Azo vakiana?
"Tsy adino"
Tsy adino ny lasa
Tsy mety voasasa
Kanefa takaitra
'Zay tena tsy laitra
No hany navelany
...
Niaina ny mamy
Niriako tsy ho lany
Ny tenako osa
Nitaraina kosa
Nahatsapa hirifiry
...
Niserana monja
Natelin'ny onja
Ny lasa taloha
Mateti-mifoha
Manaitra mazàna
...
Tao ny mangidy
Toa zary nandidy
Nikitika ny aina
Sy nampitaraina
Ka tsy mba adino
...
Jinery ny diary
Sy ireo raki-tsarin'
ny soa nolalovana
Ho fahatsiarovana
Fa tsy ho very
...
Tsy omby ny siny
Ry lasa fahiny
Raha ny ranomaso
Fa be 'reo ankaso
'Zay nafafinao
...
Tsy adinoko aloha
Fa mitoetra ao an-doha
Ary sahy aho miteny
Fa ny anilan-dReny
No tsara indrindra
...
Tantara tsy maty
Mitoetra ao anaty
Tsy foiko havela
Ny lasa efa ela
Toa nofiko sisa...
...
Itambarira fetraniaina
25/09/17
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Ramiadanarivo fetraniaina

Nampiditra : ulquiorrafetraniaina
Daty : 04/12/2017
Mpamangy : 811
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
''Ry zavavy''''Pesta''
''Ny poeta''
''Niady''
''Tiako ianao''
''Ny fo no tena adala''
"Fitiavana mahantra"
"Ny mpivaro-tena"
"Hitoetra"
"Ny foko"