''Ny fo no tena adala'' - Ramiadanarivo fetraniaina
Azo vakiana?
Ampanginina tsy laitra
Na dia rakotra takaitra
Izao iaraha-malala
Fa ny fo no tena adala
...
Efa anarina eny foana
Ary andaniam-potoana
Mba hijanona ao am-bala
Eny...ny fo no tena adala
...
Na dia mitsirepirepy
Dia minia mivoaka fefy
Te hiantso hoe malala
Izany fo adaladala
...
Na dia efa ahilikilika
sy efa ahifikifika
Dia tsy mba te hahalala...
Fa ny fo no tena adala
...
Efa ahozongozon'onja
amin'ny alahelo monja
Dia mbola te hiroso
Ary injao misosososo
...
Matetika finingan'
ireo olona mpandringana
Ny fo no tena adala
Manantena ny sahala
...
Efa hita izao tsapany
Ary koa efa fantany
Ilay fitiavany nolavina
Izay tsy mba nankatoavina
....
Fa mifikitra mazàna
Mahagaga fa tamàna
Amin'iny lahy ny sainy
Ny hanadino dia tsy hainy
...
02/12/17
fetraniaina
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Ramiadanarivo fetraniaina

Nampiditra : ulquiorrafetraniaina
Daty : 04/12/2017
Mpamangy : 938
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
''Ry zavavy''''Tsy adino''
''Pesta''
''Ny poeta''
''Niady''
''Tiako ianao''
"Fitiavana mahantra"
"Ny mpivaro-tena"
"Hitoetra"
"Ny foko"