Anainga (Ra'Ony)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Anainga indray aho androany
hitety vazan-tany
hikaroka zay mety ho fiadanana
ka hikopa-tanana...

Any lavitra any ngamba ilay nofiko
tsy takatry ny sofiko
teny mamy hitondra ainga vao
ho ventsoiko ho anao

Fa nofiko hono mantsy, any lavitra any
efa lavitra tomany
fifaliana ny any imolotra hatrany
ka aleo re aho ho any....

tanjoko eny mantsy hampifaly anao
ho lavitra talaho
ka endrika sarika no tiako hiaonantsika
na andro mangatsiaka...

Aza arahina am-binany zay ho diako any
fa tsy lavitra ny tany
ndrao mantsy zay tebitebin-dry
no hisopatra ny dia...

Fa minoa ianao fa ao anatiko ao lay fitia
efa tena ho doria
ka na hatraiza elanelana natao hampisaraka
sanatry ny ho lanaka!

Ka ra any re ry tiana no mahafeno anao
anainga aho izao dia izao
hitondra azy ho eo an-tananao
mba ho fitsaharanao...
--------
Rohy:
894 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146