Ho tia azy ianao... (Ra'Ony)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho tia azy ianao,
Saingy tsy amin'ny nofo 'zay hita fa malia
Fa tsy izay hita maso no manaitra ny fitia...
Fa fanahy nifanaiky tany ambadiky ny alina
No ho tonga hazavana anivon' ito alina...

Ho tia azy ianao,
Tsy safidy maty paika mikatsaka ny lafatra,
Fa ny fo izay nifanaiky tany ambadiky ny fantatra...
Satria fifamantoran'aina hatrany ampiandohana
Fa anio fo iray toerana ary hitovy ny hombana....

Dia aza vaky loha misaina ny tantarany
Fa ny bitsiky ny fo mihira ny anjarany...
Io no aoka hibaiko ry saina be famaritra
Fa tanjony ho anao, hiaina soa finaritra
--------
Rohy:
867 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139