Taiza ho aiza teto, no ni (Ra'Ony)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Taiza ho aiza teto, no nisy fo nilaozana
ka velona fisaorana fa lasa ilay malala
na dia hoe nahalala ny antony nandaozana??
na hoe dia mandram-piaona tsy hisy anie ralala??

Taiza ho aiza teto no tsy nisy ranomaso
fa hoe dia nisy antony nadona aty fo??
na setrasetran'ny ankaso nahazoana valisoa
fa ny amin'izy rehetra ho fefika tokoa??

ka aoka indrindra iky, tsy andatsa sy anakora
ra sendra aho ndraindray resy ny ankaso
na hoe eny antanin'ady eny no reraka sy tola
ka amin'izay indrindra ho vonton-dranomaso
--------
Rohy:
Sokajy : Hanina - embona - Alahelo
742 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099