Ho mamy rahovina??? (Ra'Ony)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho mamy rahoviana
ny miaina an-tany
raha toa 'lay fisiana
tsy hahalala izany
herim-pitiavana
manosika ho tia
mba hananan-kavana
ra sendra very dia?

Ho mamy rahoviana
izay fahasambaranao
raha izay nihaviana
ilay tany lovanao
feno fankahalana
lonilony lava izao
ny teny hoe malala
efa potika sy lao?

Eny ho mamy rahoviana
izato hiaka anao
an-tany tsy fisiana
no manao izao sy izao
hoe anampy fa tsy misy
mba ho valifaty..
ka nefa dia indrisy
emboka poakaty...

Fa izany tsy anjary
marivo fototra ary!
ho tsinjonao mahia
Fa tsy ampy lay fitia
endrika matsora
madiva ho maty hasina
tsy ho ela dia ho tola
anara-drano-masina...
--------
Rohy:
853 1
Mpakafy: MAMINTANTELY
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139