You are here: home > Vetso

¿Aiza? - Jeankely Razafimamonjy

Aiza izay entinao ho ahy?
Ry fiainana an-tany

Nivelona aho ,niharitra
Mba ho tia anao.

Fitiavana,io no tadiaviko
isan'andro,tsy mitsahatra.

Ny hatsaram-bikanao,
No nahasarika ahy.

Ny fidolan'izato
famindranao,manaitra

Fiainana ianao
Manaitra olo-maro

Fiainana ianao
tsy natao ho ahy.
aiza izay mba entinao
ho ahy?.....aiza?

"Dime ¿qué me traes tú?
vida mia"

Sokajy : Fiainana

Hametraka hevitra

Midira aloha