Tempon'ny fo - Jeankely Razafimamonjy
Azo vakiana?
Lay sentoko nangina,tsy hitadidy ny efa lasa;
Nataoko ho ahy manokana anaty fo mivay;
Nosaronako fanàla,noheveriko voasasa,
Nefa indro tojo anao ka niverina indray.
Nilaza aho ho mafy tsy hahatsiaro ny efa ela;
Nihazahaza hatrany izay ho solon-toeranao,
Kinanjo sendra anao ka bada indray ny lela;
Hiova indray ny tempo tsy ho hety izay atao.
Gikaiko eran-tany mba ho ren-danitra!
Fa mbola tiako ianao, anio hatramin'izay;
Raha eny hoy ianao,izaho dia ho finaritra;
Fa ny fitiavantsika anie ka ho mandrakizay.
Sokajy :
Fitiavana
Mombamomba
Mpanoratra : Jeankely Razafimamonjy
Nampiditra : gasyjeanDaty : 04/10/2014
Mpamangy : 2139
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
RediredyMila ny tia
Babonao
Hianao irery
Poezia malahelo
Iny fitiavana iny
niandry
nofy ratsy
Ho anao
¿Aiza?