You are here: home > Vetso

Rediredy - Jeankely Razafimamonjy

Hiala tsiny ve?
Hanenona  sa hamboraka?
Raha mamo  vao  milaza hoe ...
Tiako ianao.

Tsy fasahiana ve?
Sa diso raha mitoraka?
Ireo teny am-poko te ...
Hitoraka aminao.

Resy ve ny very tia?
Tsy maintsy hilelam-paladiha,
Hamoron-dainga lava izao?
Noho ianao.

Ataoko rediredin-toaka,
Ho fitia tsy mivoaka;
Eny na dia zato taona,
Ny fitiaavako  eo foana.

Sokajy : Fitiavana, Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha