HO ANAO (samiir lien'ju Rafaralah)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Atokako ho anao malala
Atokako ho anao irery
Atokako ho anao ty foko
fa tsy ho zaraiko velively.

Na lavitra aza ianao
dia tsy adinoko izany
ka ilay fitiavako anao
tsy rava ny elanelan-tany.

Ianao ilay efa nofidiako
Hizarana ilay fitia
Ianao ilay mba hany faniriako
Hitantana izany dia.

Ianao ilay hany mba masoandroko
Hampamiratra ny androko
Ilay hany tokana ho tiaviko
Mba hiankina eto an-tsandriko

Ka averiko entoana
Fa na hivadika aza ny taona
Dia ataoko sanatria
Ny hanadino ilay fitia
Fitia izay tena avy ato anaty
Ka tsy ho adino mandra-maty...
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1757 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : samiir lien'ju Rafaralah
Nampiditra : lirah22
Daty : 02/08/2016 17:17
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144