You are here: home > Vetso

FIAINANA - samiir lien'ju Rafaralah

Azo vakiana?

Sambatra raha samy sambatra ialahy
Nanana azy ho anjely mpiahy
Mpiaro amin'ny ratsy sy loza rehetra
Ny asan'ny maizina etsetra etsetra.
-
Fa sambatra raha samy sambatra koa
Ny olona tsotra sy madio am-po
Izy ireny  no atao hoe tena tia
ilay mparadia an'i kristy.
-
Tandremo anefa ireo namana sasany
Izay manentana sady manainga
Mody miangaly manaingo ny asany
Nefa tena mpamitaka sady mpandainga.
-
   Samiir lien'ju Rafaralah
                     03 mai 2022

Sokajy : fiainana