You are here: home > Vetso

MANDEHANA - samiir lien'ju Rafaralah

Ataovy ampy anao ireo fijaliako
Fa aza somparana intsony
Ilay mba hany fifaliako.
~
Niezaka aho nitraka
Na dia efa latsaka tanatin'ny haizina
Satria efa tapitra niafiako
ireo karazana famaizana.
~
Nefa ankehitriny ianao
Tonga indray amendrofendro
Miangavy aho mandehana
Fa ny anao anie ka adalana.

Hametraka hevitra

Midira aloha