DIA HOY AHO (SCOTLANDYARD)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dia hoy aho . . .
Aza maika aloha ianao f'aleo hilamina
eny na dia hoe fitia nindramina
aza tonga dia manapatapak'hevitra
f'aleo isika mifandinika, mihevitra

Dia hoy aho . . .
Lazao izay rehetra tsy nety hitanao
mba hisainana sy hanovana izay fanao
s'izay lesoka rehetra tamin'ny fiarahana
ka nahatonga anao hilaza fisarahana

Dia hoy aho . . .
Izaho tsy manaiky fotsiny amin'izao
hoe aleo hilamina fa leo be mihitsy ianao
raha nisy zavatra tsy nety dia lazao
hiheverana izay tokony hatao

Dia hoy aho . . .
Izao no mbola hanampiko an'izany
ny fitiavantsika mihamafy hatrany
ilay rohy efa mitady ho fato-maty
isika efa mifaningotr'aina anaty


. . . mbola hitohy . . .
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1123 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145