You are here: home > Vetso

ILAY HATSIAKA - SCOTLANDYARD

Azo vakiana?

ILAY HATSIAKA

Ilay hatsiaka izay tsy tiana
Mampangoly ny fanahy
Ilay hatsiaka fijaliana
Mampivaingana ny rà

No vao maika zary laro
Te ho tambatry ny tranga
Ka tamin ny foko izy niharo
Ka ny lanitro nihamanga

Ilay hatsiaka feritr’aina
Rehefa handingana tokonana
Ilay hatsiaka tsy hay lazaina
Na dia mitatao vovonana

No navadiko ho namana
Sy sakaizam-piadiana
Ka nataoko ampingan-tanana
Hambaboina anao ry tiana

Sokajy : Aingam-panahy

Hametraka hevitra

Midira aloha