RESIM-PITIAVANA - SCOTLANDYARD
Azo vakiana?
RESIM-PITIAVANA
Resim-pitiavana aho ka midanĂ ka
Resy aho rey olona ka midonĂ ka
Resy ahy satria reko hoe latsa-paka
Lasa fato-maty amin ny foko ilay faka
Resim-pitia ahy ka varimbariana
Resy sy lavo ka indro sondriana
Resy tokoa ka mifona fa resy
Fa nijery ireo sarinao ireo nifanesy
Resinao aho, dia babo indray
Tena mitovy amin ilay fahizay
Fony isika roa ilay samy tia
Kanefa tsy mba navela hiara-dia
Resy aho androany, mbola resy foana
Resy ny foko tsy haiko hoe ahoana
Resim-pitiavana mbola mikiry
Fitiavako anao tsy fahita firy
Sokajy :
Fitiavana
Hevitra mandeha
Soarilala (28/04/2010 12:36:25)
Mombamomba
Mpanoratra : SCOTLANDYARD
Nampiditra : scotlandyardDaty : 20/03/2009
Mpamangy : 6479
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
MAHATSIARO ANAO NY FOKOSARINAO
DIA LASA INDRAY IANAO
ILAY HATSIAKA
ISIKA
AZA GAGA
SI...TANT PIS
VA LA OU TON COEUR TE GUIDERA
...
MAFANA