You are here: home > Vetso

MAHATSIARO ANAO NY FOKO - SCOTLANDYARD

Azo vakiana?

MAHATSIARO ANAO NY FOKO

Mahatsiaro anao ny foko
Tsy haiko hoe maninona
Ny saiko moa dia mioko
Tsy hitako atao inona

Mahatsiaro anao ny foko
Miridan-tsy voafehy
Manosonoso-doko
Ilay sarinao mihomehy

Mahatsiaro anao ny foko
Ka feno nofy anao
Ilay fitia an-tsokosoko
Tena mbola ao

Mahatsiaro anao  ny foko
Ka indro aho valalanina
Eny na tsy zoko
Fanina aho fa manina

Mahatsiaro anao ny foko
Ry fitia voarara
Izaho aty te-hijoko
Hanohy indray ny tantara


Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

Soarilala (25/05/2010 16:01:37)

Mahagaga fa arakaraky ny handrarĂ na vao maika koa mampiredareda ilay faniriana !

Hametraka hevitra

Midira aloha