HAIKO (SCOTLANDYARD)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho valin'ny tononkalon'i Ryana hoe TSY HO AHY

HAIKO

Ekeko marina ny anao ka ny fara fiononako
Dia ireo tahiry mamy tao anaty tonantonako
Izay voarakitro anaty, ho diary vita sikotra
Tomboka vatsa naka toerana ary koa tena nifikitra

Ekeko marina ny anao, satria izy mpivahiny
K’izay rehetra vita tany, ts’isy hifanomezan-tsiny
Fa hadalana novitaina tao anaty fahamatorana
Ka samy halalaka ny saina, tsy hisy tady ifamatorana

Haiko izy fa tsy ho ahy, efa fantatro ny fiainany
Fa halatralatra ny ahy, ilay nizara ny marainany
Ka na dia namaka aza, ireo tsaingoka fitia,
Dia tsy tompony aho akory fa sendra mba nangala-dia

Haiko izy fa tsy ho ahy, fa lalan-kafa no hizorany
Ary tanjona hafa mihitsy no iriny sy ifotorany
Koa ataoko ampy ahy, ireo fahota-tsinahy
Hampiangoiko ny tantarako, isaky izay mahatsiahy
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1076 0
Hevitra mandeha
SOBIKA ( 26/02/2007 09:21)
mmmmmmmmmm
Ryana ( 26/02/2007 20:54)
Mankasitraka, Tompoko!
scotlandyard ( 27/02/2007 19:42)
Misaotra Sobika sy Ryana
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143