MALAHELO ANAO (SCOTLANDYARD)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MALAHELO ANAO

Malahelo anao ny foko,
ka midoboka mitsamboamboatra
ilay tosi-dra io misendoatra

Malahelo anao ny aiko,
ka mihovitra aho mihararetra
mitsangam-bolo ny rehetra

Malahelo anao ny lohako,
ka mitady harary be
fa aiza ianao no elabe !!

Malahelo anao ny masoko,
fa te hahita anao mitanjaka,
indrindra ilay "izy" mihanjaka

Malahelo anao ny oroko
fa te hanimbolo anao,
hianoka ilay hanitrao

Malahelo anao ny sofiko,
fa te handre ilay talaho,
hoe "aoka izay fa maty aho"

Malahelo anao ny molotro
fa te hitohoka etsy eroa
tenda, tratra, sy hafa koa

Malahelo anao ny nifiko,
fa tena te hanaikitraikitra,
ilay tendanao rehefa miraikitra

Malahelo anao, ny lelako
fa tehilelaka tsy hiala,
tiany ianao ho lasa adala

Malahelo anao ny vavako,
ilay mpandehandeha tsy mety kivy
ka mampiharo ireto ivy

Malahelo anao ny vatako,
ka mandevy sy mafana
mitroatra be ilay mari-pana

Malahelo anao ny sandriko,
fa te hitrotro, hitratreva,
na am-pandriana, na an-tseza

Malahelo anao ny tanako,
fa te hisafo sy hamikitra
ilay vatanao mivoa-dinitra

Malahelo anao ny rantsako
fa te hitsapa hamandoana,
anaty feom-pitalahoana

Malahelo anao ny feko,
fa te hikasoka ilay fe,
kotsa, petsa, mandobe

Malahelo anao "izy"
ka tezitra milongilongy
mihenjakenjana, midongy

Malahelo anao izahay,
fa izahay moa efa may,
hahalala hoe rahoviana indray !!!!!
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
3882 1
Mpakafy: ramatoakely
Hevitra mandeha
ramatoakely ( 20/11/2007 10:21)
mankasitraka ny tononkalonao manokana ny tenako, sady mahampahatsiaro no mandatsa-dranomaso....
vololomanitra91 ( 18/12/2007 08:54)
fiainana daholo izany retraretra izany!!!
Mankasitraka ny tononkalonao ny tenako!!!
vololomanitra
blounous ( 07/04/2008 13:11)
tsara sady mampahatsiaro zavatra satri tena iainanko le izy amizao fotoana izao
Soarilala ( 28/05/2010 21:04)
tena tsara loatra, mampanembona mandra-pahatonga ilay fotoana hoe rahoviana indray
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0482