You are here: home > Vetso

**EMBONA** - Tahina Fabien

**EMBONA**

Embonembona tsy tana
Sentosento tsy mitony
Fa mba asa kosa lahy,
Izay ventsoventsom-pony
.
Ry alina mangina o!
Nofoazinao ny FAHATSIAROVANA
Ka vao maika aho mijaly
Ny foko izay TOROVANA
.
Raha mba vorona aho mantsy
Dia afaka nakany
Saingy tsy afaka manoatra
Noho ny elanelan-tany
.
Eny mantsy ry SOPATRA
Irony elanelan-tany
HAMPISARAKA ANAY
Hampirotsaka tomany

Hametraka hevitra

Midira aloha