**FENO ANAO AHO** (Tahina Fabien)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
**FENO ANAO AHO**

Vao misokatra ny maso
Dia ianao no ao an-tsaina
Feno loatra anao ny amiko
Satria ianao no holalaina
Reo manodidina ahy rehetra dia heveriko tsy misy
Ilay fitia tsy misy fetra izay natokako ho anao
Te ihika mafy foana iantso anao nefa indrisy
Noho ny elanelan-tany no hany sakana vaovao
.
Na izany aza anefa dia zah feno anao
Ny amiko rehetra efa tena lasanao
Tsy nanambinana mihintsy na dia kely monja
Fa ato am-poko ilay fitia dia reko toa mafonja
Amin'ny hafa ny hoe mitia toa zary hany kilalao
Fa netsika hodoria,dia hizaka tsotsa izao
Na misy ny elanelana tsy mampiova ninon'inona
Tsika roa ampoka fitia ka raha voasedra tsy manina
.
Ny hany tsapako ankehitriny dia somary tsotra ihany
Raha mbola fahasambaranana ny anilanao hafa ihany
Ka raha mbola zah koa no miaina tsy misy fotoana tsy hatsiarovako izany
Fa efa babonao loatra,babo foana foana
Ka raha mitanondrika ny loha dia eo ianao manoloana
Ho sokajim-pifalina anie ireny fotoana ireny
Ka raha ianao no tsy eo dia zay aho vao tena very

l'amour à distance
--------
Rohy:
2834 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143