Very Anjara - Tahina Fabien
Azo vakiana?
Inty ventso,zany ventso
Zany foana no ao an-tsaina
Sy mba tenim-pitaraina
Hitadiavako anao
.
Mitaraina,Mitaraina
Toa miferinaina
Mitoloko sy mangaina
Ka mahatsiaro ho afak'aina
.
Aiza ianao,hoy aho,aiza ianao
Ilay malalako tsy foiko
Toa tsy mety adinoiko
Dia hiraiko sy Kaloiko
.
Manina aho,eny manina
Mahatsiaro tena very
Lavo foana tsy tafarina
Fa very anjara,very anao ry Neny
.
Dia misento ka misento
An'ireo tsiaro tsy mety maty
Satria ianao toa zary kanto
No tiko amihana ah Hotinafy
.
Very anjara mantsy aho
Very tena Very!!!
Fa ianao ilay nantenaina aza
Nahafoy ah,ho MANIRERY
Mombamomba
Mpanoratra : Tahina Fabien
Nampiditra : aer0jhonyDaty : 11/09/2017
Mpamangy : 1575
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
heritreritra (mpanoratra .toubib)Ny fitiavanay roa kely
Ny FITIAVAKO ANAO
**Ny foko sy ny saiko**
**FENO ANAO AHO**
**HO ANAO IRERY IHANY**
**Tia anao aho**
SOUVENIR
**EMBONA**
**RY TANIKO**