Manan-kery ny teny (Tatamo Ravaky Ny Farihy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Manan-kery ny teny

Ny teny dia:

Miaro na manitsoka
Mamoha na manidy
Manadio na mandoto
Mahasoa na manimba
Mitsabo na mandratra
Manatsara na maneso
Mamelona na mamono
Mampisy na manafoana
Manavao na manatonta
Mahatsara na maharatsy
Mananatra na mandatsa
Mikolokolo na mandrava
Misarika na mampiverina
Mampiray na mampisaraka
Mamporisika na manohana
Mampijoro na mampivarina
Mampitia na mampankahala
Mampandray na manajanona
Mandrisika na mampisalasala
Mampatoky na mampisalasala
Mampihezaka na mampihetry
Mampitsiky na mampahonena
Mampivelatra na mampivarina
Mampitraka na mampiondroika
Mampanohy na mampihemotra
Mampahery na mampiferonaina
Mandamina na manankorontana
Mampandray na mampandroaka
Mampandroso na mampienaena
Mahapinamana na mampifandrafy
Mampisongadina na mampivarilavo
Mampihonona na mamendrofendro.

Koa raha samy hiteny ihany,
tsy aleo ve miteny izay mahasoa?

Tatamo Ravaky Ny Farihy
25/07/2016
--------
Rohy:
Sokajy : Fiaraha-monina
818 1
Mpakafy: tatamo1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tatamo Ravaky Ny Farihy
Nampiditra : tatamo1
Daty : 25/07/2016 01:37
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015